My Crossword Maker Logo
Powered by BrightSprout
Save Status:
or to save your progress. The page will not refresh.
Controls:
SPACEBAR SWITCHES TYPING DIRECTION
Answer Key:
Edit a Copy:
Make Your Own:
Crucigrama Sopa de Letras Hoja de Trabajo
Calificar este Puzzle:
Log in or sign up to rate this puzzle.

MOTS CROISES MIAINGA AMIN'NY OHABOLANA 24

Horizontales
Mamy toy ny fahendrena. (Andininy 13) « Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao. »
Tsy ho foana raha mianatra fahendrena. (Andininy 14) « Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao. »
Tsy tokony hatao raha misy manjo ny fahavalo. Andininy 17 « Aza faly, raha lavo ny fahavalonao. »
Tsy maintsy ilaina amin’ny andro fahoriana. (Andininy 10) « Raha reraka amin'ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao. »
Tsy tokony hatao noho ny mpanao ratsy. (Andininy 19) « Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy. »
Izay mitsangana indray na dia mianjera impito aza. (Andininy 16) « Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana. »
Ny taniny rakotra tsilo sy voaravaka kirihitra. (Andininy 30) « Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho. »
Izay aorin’ny fahendrena. (Andininy 3) « Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy.
Entina ilazana izay misaintsaina ratsy. (Andininy 8) « Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy. »
Verticales
Iorenan’ny fahendrena sy ny fahalalana. (Andininy 3) « Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy. »
Asa atao any ivelany alohan’ny hanorenana trano. (Andininy 27) « Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao. »
Tsy tokony hahafaly anao raha mianjady amin’ny fahavalo. (Andininy 17) « Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy. »
Andriamanitra mandanja azy. (Andininy 12) « Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? »
Mahazo ny ratsy fanahy. (Andininy 16) « Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana. »
Feno harena soa sy mahafinaritra noho ny fahalalana. (Andininy 4) « Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin'izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
Tsy tokony horavana ao amin’ny marina. (Andininy 15) « Aza manotrika ao akaikin'ny tranon'ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany. »
Fototra iorenan'ny fanorenana trano. (Andininy 3) « Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy. »
Maty eo amin’ny ratsy fanahy. (Andininy 20) « Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy. »
Mampianatra raha jerena tsara. (Andininy 32) « Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
Tsy tokony hialonana na hangatahina. (Andininy 1) « Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany. »