My Crossword Maker Logo
Powered by BrightSprout
Save Status:
or to save your progress. The page will not refresh.
Controls:
SPACEBAR SWITCHES TYPING DIRECTION
Answer Key:
Edit a Copy:
Make Your Own:
Crucigrama Sopa de Letras Hoja de Trabajo
Calificar este Puzzle:
Log in or sign up to rate this puzzle.

MOTS CROISES MIAINGA AMIN'NY OHABOLANA 22

Horizontales
Mamafy azy dia mijinja fahoriana. Andininy : "Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany." (Ohabolana 22:8)
Mampanalavitra ny hadalana. Andininy : "Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy." (Ohabolana 22:15)
Sarobidy noho ny harena. Andininy : "Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena." (Ohabolana 22:1)
Manapaka ny malahelo. Andininy : "Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra." (Ohabolana 22:7)
miaro ny manam-pahalalana; Andininy : "Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany." (Ohabolana 22:12)
Mitondra harena, voninahitra ary fiainana. Andininy : "Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana." (Ohabolana 22:4)
Ny tanjon'ny fampahafantarana. Andininy : "Hianao dia ianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah." (Ohabolana 22:19)
Tokony zarina amin'ny lalana tokony halehany. Andininy : "Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany." (Ohabolana 22:6)
Henoy ny tenin’ny hendry. Andininy : "Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao." (Ohabolana 22:17)
Mihaona amin'ny manan-karena. Andininy : "Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta." (Ohabolana 22:2)
Mitsangana eo anatrehan’ny mpanjaka. Andininy : "Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va ianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy." (Ohabolana 22:29)
Verticales
Ny vavany dia lavaka lalina. Andininy : "Ny vavan'ny vehivavy jejo dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao." (Ohabolana 22:14)
Tsilo sy fandrika ny lalany. Andininy : "Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany." (Ohabolana 22:5)
Mahafinaritra ny hitahiry azy ao am-po. Andininy : «  Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao; » (Ohabolana 22:17) "Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao." (Ohabolana 22:18)
Roahina dia hitsahatra ny fifandirana. Andininy : "Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka." (Ohabolana 22:10)
Sakaizan’izay tia fahadiovam-po. Andininy : "Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy." (Ohabolana 22:11)
Hitan’ny mahira-tsaina. Andininy : "Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa." (Ohabolana 22:3)
Ny maso miantra hotahina. Andininy : "Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny." (Ohabolana 22:9)
Miraikitra amin'ny fon'ny zaza. Andininy : "Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy." (Ohabolana 22:15)